Teny iditra ahifika (hifika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Esorina, ariana lavitra: Taitra izy nahita ilay sahona nipetaka teo amin' ny sandriny ka nahifiny terỳ
Lavina, toherina, atosika: Nahifiko ny tanany nisambotra ahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be shaken, to be shaken off [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on rejette d'une manière brusque, qu'on repousse [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ahifika, ahifiko, ahifikao, ahifiny, ahifitsika, ahifikay, ahifikareo, ahifik', ahifi-
Ny lasa : nahifika, nahifiko, nahifikao, nahifiny, nahifitsika, nahifikay, nahifikareo, nahifik', nahifi-
Ny hoavy : hahifika, hahifiko, hahifikao, hahifiny, hahifitsika, hahifikay, hahifikareo, hahifik', hahifi-
Filaza mandidy : ahifiho

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05