Teny iditra ahintsana (hintsana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Araraka na alatsaka amin' ny alalan' ny fanozongozonana: Nahintsan' ny rivotra ny voninkazo
Alana amin' ny alalan' ny fanetsiketsehana: Ahintsano ny vovoka amin' ny tongotrao vao miditra ny trano ianao
Sivanina: Ahintsana ny fasika
(famarana) hozongozonina mba hahalany bebe kokoa: Ahintsano tsara ny sobika mba hahalany vary bebe kokoa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be shaken off as fruit from a tree; to fall off as leaves; to fall out as hair [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait tomber en secouant; tomber comme des feuilles mortes; tomber comme des cheveux [1.8]
Ohatra Ahintsana ny voan-katsaka rahefa avy eo, ahahy ho maina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ahintsana, ahintsako, ahintsanao, ahintsany, ahintsantsika, ahintsanay, ahintsanareo, ahintsan', ahintsan-, ahintsam-, ahintsa-
Ny lasa : nahintsana, nahintsako, nahintsanao, nahintsany, nahintsantsika, nahintsanay, nahintsanareo, nahintsan', nahintsan-, nahintsam-, nahintsa-
Ny hoavy : hahintsana, hahintsako, hahintsanao, hahintsany, hahintsantsika, hahintsanay, hahintsanareo, hahintsan', hahintsan-, hahintsam-, hahintsa-
Filaza mandidy : ahintsano
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19