|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  akalana
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Karazam-panaky ny Ntaolo, iva, fohy tongotra, natao fitoerana raha kely ary fikapana hena raha lehibebe; avy amin' itỳ karazany faharoa itỳ no niavian' ilay fomba fiteny manao hoe: Misolo vaika ny akalana ka mikapa hena ambony fe [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a chopping block [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  5 escabeau, tabouret, coussinet [1.3#13, 1.5]
6 escabeau qui sert de damier pour le fanorona, hâchoir, la bûche sur laquelle on fend le bois [1.3#13]
Ohatra  7  Indry izy nisaingisaingy miala ny akalana nitombenany ka nikiraviravy teo an-tongo-pandriana. [2.470#31]
8  Nisy akalana iray koa natao hipetrahan' I Dada. [2.472#8]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  14  Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)16  akalana
Sokajin-teny  17  anarana
Fanazavàna teny frantsay  18 [Tsimihety] Serait le nom d'une Rubiaceae herbacée d'après Dandouau. [1.196]
Voambolana  19  Haizavamaniry

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26