Teny iditra akanjo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anarana itambaran' ny fitafiana voazaitra entina hanafy ny vatana, mba ho takon-kenatra aloha voalohany indrindra sy hiaro amin' ny hatsiaka, ary tatỳ aoriana mba ho endri-javatra mahafinaritra koa: Nentiny nanaovana maso vao tamin' ny Krismasy ilay akanjony vao nozairina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A coat, outer garment, dress. [Swa. ka'nza, or Fr. canezon.] [1.2]
 Clothing; a dress; a shirt [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Nom générique des habits, de l'habillement, du costume [1.3]
 Vêtement ; une robe, une chemise [1.8]
  [Vezo] Habit, vêtement [1.68]
Ohatra 
1Ny akanjo mafana mbola tsy nananana. [2.356]
2Veloma ry akanjo, veloma ry baolina! [2.117]
3Manjaitra akanjo hanaovako amin'ny fety íneny. [2.332]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : akanjo, akanjoko, akanjonao, akanjony, akanjontsika, akanjonay, akanjonareo, akanjon', akanjon-, akanjom-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Lohateny Rovitr' akanjon i Denise (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12