Teny iditra akiraviravy (kiraviravy (raviravy))
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao mikiraviravy, atao mikirazorazo: Aza akiraviravy any ivelan' ny lavarangana ny tongotrao [1.1]
Fanazavàna teny frantsay à suspendre [1.3]
Ohatra Ny volon’ ny renin-jaza dia randranina maro madinika eo amin’ ny isan-tokony avy, ary tovanana volo hafa, izay nahodidina imbetsaka tamin’ ny tapa-kazo madinika ka akiraviravy eo ambony maso sy eo an-dany sofina roa, izany no atao hoe «salotra», taovolo tsy fanao raha tsy amin’ ny hasoavan-jaza [2.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : akiraviravy, akiraviraviko, akiraviravinao, akiraviraviny, akiraviravintsika, akiraviravinay, akiraviravinareo, akiraviravin', akiraviravin-, akiraviravim-
Ny lasa : nakiraviravy, nakiraviraviko, nakiraviravinao, nakiraviraviny, nakiraviravintsika, nakiraviravinay, nakiraviravinareo, nakiraviravin', nakiraviravin-, nakiraviravim-
Ny hoavy : hakiraviravy, hakiraviraviko, hakiraviravinao, hakiraviraviny, hakiraviravintsika, hakiraviravinay, hakiraviravinareo, hakiraviravin', hakiraviravin-, hakiraviravim-
Filaza mandidy : akiraviravezo

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19