Teny iditra | 1 aljebra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Fomba fikarohana valim-panontaniana momba ny marika, amin' ny fanoloana tarehintsoratra ny tenamarika. Azo lazaina hoe: karazana siansa izay niandinika ny lalàn' ny isa sy mampiasa azy araka izany lalàna ankapobeny izany, ny aljebra. Amin' ny aljebra tsotra dia mitovotovy amin' ny marika (arithmétique) ihany ny fombafombany, saingy soloana tarehintsoratra ny tenamarika. Izany no mahatsara azy, satria tsy voahelingelina na voafepetry ny isa ny saina, fa azo ampiharina amin' ny fanontaniana iray tarika rehetra ny lalàna iray efa hita. ... Angamba ny Ejiptiana mainti-molaly no nahita voalohany ny fomba-marika toy ny fanao amin' ny aljebra: anefa ny fantatra ho nampiasa azy voalohany ao amin' ny firenena tandrefana dia i Diophante, mpahay jeometria tany Aleksandria (350 taorina J.K.). Ny Indiana anefa dia nahalala ny aljebra taloha elan' i Diophante. Avy tany no nitondran'ny Arabo azy niankandrefana, ary Mahomeda ben Musa (820) no nanoratra boky voalohany fampianarana azy, nataony hoe Aljebra wa' l magabala, ary izany no nihavian' ny teny hoe Aljebra. Lehilahy italiana mpandranto, natao hoe Leonardo de Pisa, tamin' ny taona 1202, no nampiditra ny fianarana azy tany Eoropa, ary Italiana ihany koa, natao hoe Luca Paccioli, tao Venise, tamin' ny 1494, no namoaka boky voalohany fianarana aljebra tany Eoropa. Lehilahy frantsay natao hoe Viète anefa no nahita zavatra betsaka momba ny aljebra, nanolo tarehintsoratra ny tenamarika, ka nampitatra ny lalàn' ny tsirairay ho lalàn' ny ankapobeny. Izy no nampiasa ny hoe positif, négatif, coefficient. Descartes kosa no nahita ny firaisan' ny aljebra amin' ny jeometria tamin' ny 1637, sady nampiasa ny tenamarika kely apetraka eo ankavanana sady eo ambonin' ny isa izay hampitomboina ny tenany: ireny marika kely ireny no atao hoe exposants na puissances na heriny. Miasa fatratra ny aljebra amin' ny fikarohana valim-panontaniana sarotra, amin' ny fitadiavana isa maro mifampidipiditra sy mifanjevo be ihany, tsy mora na mety ho hita velively amin' ny fampiasa marika (arithmétique) fotsiny. [1.10#A226] 4 Antokon-tsiansa ianarana mandinika ny lalàn' ny isa sy mampiasa ny isa araka izany lalàna ankapobeny izany. Soloana litera ny tarehi-marika amin' ny aljebra, ka, araka izany, dia fanatsorana sy fanitarana ny fitadiavana ny vahaolana amin' ny fanontaniana iray fomba na iray tarika izy [1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
5 algèbre [1.13] |
Ohatra |
6 Isan-kerinandro no nahatongavan' Ingahy Ravelojaona Mpitandrina, nampianatra aljebra sy teny malagasy anay tao amin' ny taona voalohany. [2.356#29] |
Voambolana |
7 Mathematika: (amin' ny ankapobeny) 8 Matematika: alijebra |
Tsipelina hafa | 9 alijebra |
Nohavaozina tamin' ny 2021/01/16 |