|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  Ambohibeloma
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10#A.325] [tanàna] any amin' ny faritr' Imamo, 20 km avaratr' Arivonimamo, miorina an-tampon-tendrombohitra andrefan' ny renirano Ombifotsy. Misy ala madinika toy ny eny Ambohimanga ny tehezany atsinanana sy atsimo, ary alan' amontana ny eo an-tompony. Avy atsimo ihany no tena lalana miditra ao an-tanàna ...
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.11#86] une des douze montagnes de l’Imerina, ancien fief d’un roitelet, situé dans la commune d’Ambohitrambo, à 2 km. d’Arivonimamo
Voambolana  5  Haitoetany: tanàna
Singan-teny  6  vohitra, velona
Mpanahaka  7  nytendrombohitraroambinifolo

Teny iditra (2/2)8  Ambohibeloma
Sokajin-teny  9  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  10  [1.10#A.326] Ambohibeloma avaratra: vohitra ao ambany avaratra andrefan' ny havoana Ambohitsitakatra, ankevitry ny 80-90 km avy ao Antananarivo, atsimo somary andrefana kelin' Anjozorobe ...
Voambolana  11  Haitoetany: tanàna
Singan-teny  12  vohitra, velona

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/26