Teny iditra | 1 Angolangolan' ny Tanora |
Singan-teny | 2 angolangola, tanora |
Sokajin-teny | 3 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
Voambolana |
4 Haisoratra: tononkalo |
Mpanoratra |
5 Rajaonarivelo Auguste |
Lahatsoratra |
6 Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano!
7 Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra. 8 Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany! 9 Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena. 10 Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako. 11 Mbola tia ka iavonana. 12 Saikiny 13 Hay ianareo ombimanga noana tojon' ny antsoron' Andraopasika, mody mianjona kanjo liana!
|
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10 |
![]() |