Teny iditra antonona (tonona)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Ampy: Antonona azy ve io vary io
¶ Tsy kely tsy lehibe; tsy mafy tsy malefaka, mifanentana tsara: Izay vao antonona tsara ny hafanana ~ Tsy antonona anao velively iny akanjo iny fa milobaloba aoka izany
¶ Sahaza, mifanaraka tsara: Tsy antonona anao io raharaha io fa ialao [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy suitable for; of a middling size; about the right thing, used of actions or things [Richardson 1885]
Ohatra 
1Hotolorako vady antonona azy izy, sady tia azy no inoako koa fa tiany. [Rajaonarivelo: Bina, takila 75]
2Ny zohy betsaka teny an-tendrombohitra dia antonona tsara ho amin' izany. [Randzavola: Baiboly, takila 376]
3Mba hihinana tokoa ireny androany satria hanina antonona ny vavoniny no tazany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 88]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31