Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anaran' ny vola izay nataon' ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4,80 frs tany aloha ary 5,00frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1/6: venty / ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin' ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin' ny hoe: ariary zato, ariary folo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A dollar; usually used of cut money. [Ar. al-rial, from Sp. Real.; Swa. reale.] See farantsa. [1.2]
 A "dollar", five francs [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Une "piastre", cinq francs [1.8]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Nom d'une espèce de cordages, haubans. [1.19]
Voambolana 

Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] Velarana [1.78]
Fanazavàna teny frantsay Surface [1.78]

Teny iditra ariary
Sokajin-teny mpampiankin-teny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] Manodidina [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31