Teny iditra Asa izany
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga !
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga.

Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran’ny voninkazo
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany !
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
Anoloan’ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.

Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo
Sa ny vorona mikalo no iventesako anao mandalo
Nitondra hira tamin’ny fiainako
Nangina hira an-taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako
Hatramin’ny niarahantsika dia mientana ny foko
Ka mivetso ny fitiavana

Ny antony… fantaro.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02