Teny iditra asitrika (sitrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alentika, atsoboka: Nasitriny tany anaty rano ilay alika, nefa tafapoitra ihany
Afenina: Nahoana no asitrikao any anaty lambanao ny bokiko?
Alevina: Amin' ny telo ora hariva no hasitriko ny razana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be plunged into something [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on plonge dans l'eau, dans quelque chose; qu'on ensevelit; qu'on enfonce [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : asitrika, asitriko, asitrikao, asitriny, asitritsika, asitrikay, asitrikareo, asitrik', asitri-
Ny lasa : nasitrika, nasitriko, nasitrikao, nasitriny, nasitritsika, nasitrikay, nasitrikareo, nasitrik', nasitri-
Ny hoavy : hasitrika, hasitriko, hasitrikao, hasitriny, hasitritsika, hasitrikay, hasitrikareo, hasitrik', hasitri-
Filaza mandidy : asitriho

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20