Teny iditra atokana (tokana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao amin' ny toerana iray mba tsy hifangaroany amin' ny hafa: Atokana ny marary hoditra hatraiza hatraiza
Tehirizina: Atokako hividianako fanaka ny ampahafolon' ny karamako isambolana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be set apart; to be consecrated [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on met à part; qui est consacré; qu'on met de côté, qu'on réserve, qu'on consacre [1.8]
Ohatra Ny ankamaroan' ny fotoam-pivoriana natokana ho an' ny tetibola dia tsy maintsy atokana ho an' ny lalàna itantanana ny volam-panjakana. [4.27]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : atokana, atokako, atokanao, atokany, atokantsika, atokanay, atokanareo, atokan', atokan-, atokam-, atoka-
Ny lasa : natokana, natokako, natokanao, natokany, natokantsika, natokanay, natokanareo, natokan', natokan-, natokam-, natoka-
Ny hoavy : hatokana, hatokako, hatokanao, hatokany, hatokantsika, hatokanay, hatokanareo, hatokan', hatokan-, hatokam-, hatoka-
Filaza mandidy : atokany, atokano

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20