|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  balaonina
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] [fr. ballon] zavatra boribory goavana feno gaza maivana noho ny aera ka misavoana eny amin' ny habakabaka ary dia atosiky ny rivotra na ampandehanin' ny milina; nasiana fitoerana karazana lakam-piara mifatotra aminy izay nisy ny olona mpandefa sy ny mpandeha. Azo lazaina ho razam-ben' ny aeroplanina ny balaonina
Fanazavàna teny frantsay  4  [3.1] ballon, dirigeable
Voambolana  5  Fitaterana

Teny iditra (2/2)6  balaonina
Sokajin-teny  7  anarana
Fanazavàna teny malagasy  8  [1.1] Kilalaon-jaza vita amin' ny tenan-javatra manify dia manify (fingotra, kanikanin-kena) izay bontsinina amin' ny rivotra: Nividy balaonina telo ho an' ny zanany izy tamin' ny fety, nefa tsy nisy tapak' andro akory dia vaky daholo izy telo
Voambolana  9  Kilalao

Fivaditsoratra  10  balaonina, binalanao, nalibanao, nibalanao, nobalaina, nobalanay

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21