Teny iditra banjinina (banjina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Jerena maharitra tsy mipy: Mankarary maso ny masoandro raha banjinina
Jerena ombam-pandinihana feno fisainana fatratra: Banjino ny sarin'i Kristy mihantona eo amin'ny hazo fijaliana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be stared at, to be looked at earnestly. [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on regarde fixement [1.8]
Ohatra 
1Filamatra azon' ny tanora banjinina izany [2.508]
2Izany hoe tsy ny toetra na ny fomba amam-panaon' ny olona no banjinina sy andrianina, fa ilay olona amin' ny maha-izy azy fotsiny izao [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : banjinina, banjiniko, banjininao, banjininy, banjinintsika, banjininay, banjininareo, banjinin', banjinin-, banjinim-, banjini-
Ny lasa : nobanjinina, nobanjiniko, nobanjininao, nobanjininy, nobanjinintsika, nobanjininay, nobanjininareo, nobanjinin', nobanjinin-, nobanjinim-, nobanjini-
Ny hoavy : hobanjinina, hobanjiniko, hobanjininao, hobanjininy, hobanjinintsika, hobanjininay, hobanjininareo, hobanjinin', hobanjinin-, hobanjinim-, hobanjini-
Filaza mandidy : banjino

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/09