Teny iditra bitika
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Kely sady madinika, sombiny kely: Tsy ho azonao entina any lavitra any io zaza io fa mbola bitika / Bitika kely ny vary nohanin' ny marary anikeheo.
¶ Kely sy bitika: enti-milaza am-panetren-tena ny toetran' ny tena ambany sy mahantra: Misaotra, tompokolahy minisitra, mamangy anay kely sy bitika atỳ anaty ala atỳ
¶ (Marihina fa milaza mbola kely kokoa noho ny bitika ireo rehetra avy amin' ny bitika nasiana tsofoka: bilitika, biritika...) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy diminutive, extremely small, a jot, a morsel, an atom. [Richardson 1885]
 diminutive, tiny; cf. kitika [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay très petit [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 une quantité infime, chétif [Abinal 1888]
Endriteny 
bitika
bitiha
Teny mitovy hevitra bititika
Ohatra 
1Lay ony kanefa he'ty fiandohany / Mba kely ny bitika saro-jahana. [Rafanoharana: Ony]
2Natao mafana tsara ilay bitika an-tanana noho ny toetr' andro miovaova. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 175]
3Ka inona anefa no mety ho vitanay kely sy bitika ity amin' izany? [Rabemolaly: Fary, takila 306]
Teny nalaina 

2017/05/24