|
|
|
|

Teny iditra1  Dona-tsetroka
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  3  Haisoratra: tononkalo
Singan-teny  4  donaka, setroka
Mpanoratra  5  Andriarimalala René
Lahatsiratra manontolo 
6  Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka
7  Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha,
8  Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka ,
9  Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha.

10  Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina
11  Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina.
12  Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina
13  Anefa toa azo sary ny fikenony maraina.

14  Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny
15  Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny,
16  Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra…

17  Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko
18  Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko
19  Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra...

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10