Teny iditra donto
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy mandre tsara fa marenindrenina: Donto mihitsy ny sofin' io zaza io: intelo izy no antsoina vao mahare
Dombo ny lelany na bontolo ny lohany: Dontoity itỳ fandraka itỳ
Tsy moramandray fampianarana: Donto velona izany raha zaza: telo volana vao mahay abidy
Enti-milaza ny vilany izay maharitra elaela vao tanteraky ny hafanana: Ario any io vilany io fa donto izaitsizy: adiny iray vao mahamasa-bary [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Stupid [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Stupide [1.3, 1.8]
 Sourd, émoussé, obstiné, têtu, abruti, endurci, déterminé, hardi [1.3]
Ohatra 
1Rotsiako mangina ny foko efa donto, ary safosafoiko ny masoko bongo! [1.241]
2Lasa donto sy hena velona ny tena ka tsy tsaroana intsony na fanenony na kaikiny. [2.472]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11