Teny iditra | 1 elefanta |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) |
Fanazavàna teny frantsay |
4 [1.3] éléphant |
Ohatra |
5 [2.4] Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany; 6 [1.38] Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. 7 [2.117] Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. 8 [2.508] Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. |
Voambolana |
9 Haibiby: mampinono |
Tovy hevitra | 10 trepo |
Nohavaozina tamin' ny 2024/12/10 |
![]() |