|
|
|
|

Teny iditra1  entina
Fototeny  2  tondra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4  ilazana zavatra vimbinina na sakelehina na babena na lolohavina... ka afindra toerana miaraka amin' ny tena: Ento atỳ ny solomasoko ~ Efa nentiny am-babena nankany amin' ny hopitaly ny zanany
5  Lasa, paohina: Nentin' ilay kary iny ny satroko ~ Nentin' ny rivotra ny tafontrano
6  Fehezina: Entin' ny fanjakana ny vahoaka
7  Anaovana: Akanjo madio no entin' ny olona amin' ny andro fety
8  Ampiasaina: Famaky no entiny mikapa taolana [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9  porté, emporté [1.3#127, 1.5]
10  apporté, enlevé, amené, conduit, transmis, employé, dépensé, dont on se sert
11  gouverné, géré, poussé [1.3#127]
12  charrié, emmené [1.5]
Ohatra  13  andao ianareo hiaraka amiko fa hoentiko any amin' ny polisy ity anio. [2.4]
14  akanjo betsaka no nentiny tany an-tsena (il a porté au marché beaucoup d’habits) [1.3]
15  nentiny tao an-tranony ny bokiko (il a emporté mon livre chez lui) [1.3]
16  nentiny ilay zavatra nangatahiko (il m'a apporté ce que j’avais demandé) [1.3]
17  nentin'ny rivotra ny satroko (le vent m’a enlevé mon chapeau) [1.3]
18  nentiny taty amiko ny alikako very (il m’a amené le chien que j’avais perdu) [1.3]
19  nentiny tao an-trano fianarana ny zanako (il a conduit mon enfant a l’école) [1.3]
20  fanao nentin-drazana izany (c’est un usage transmis par les ancêtres) [1.3]
21  vato voapaika ihany no nentiny nanao ny tranony (il n’a employé que des pierres de taille pour bâtir sa maison) [1.3]
22  be dia be ny vola nentiko nanao ny tranoko (j’ai dépensé beaucoup d’argent pour bâtir ma maison) [1.3]
23  ny fahefanao no tokony hoentinao hanao soa (vous devez vous servir de votre pouvoir pour faire du bien) [1.3]
24  tsy entiny tsara ny vahoaka (il ne gouverne pas bien le peuple) [1.3]
25  nentin' ny fahantrana izy ka nangalatra (il a été poussé par la misère et a volé) [1.3]
Haiendriteny 
26  Ny ankehitriny :
27  Ny lasa :
28  Ny hoavy :
29  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Lohateny 
Ohabolana  41  Ohabolana misy io teny entina io

Fivaditsoratra  42  entina, tenina

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/11