|
|
|
|

Teny iditra1  Evanjely
Sokajin-teny  2  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Anarana ilazana ireo boky efatra nosoratan' i Matio, Marka, Lioka ary Joany (na Jaona) mitantara ny fiainan' i Kristy no sady mirakitra ny fampianarany
Ny fampianaran' i Kristy: Io Misionera io no nitory ny evanjely voalohany teto amintsika
Ohatra  4  [2.270#] Vita ny vakiteny ny evanjely, dia niteny i Mompera!
5  [1.369#] Fa omena azy ny toerana sahaza azy ao amin' ny evanjely, ao amin' ny toerana nametrahan' i Jesoa Kritsy an' i Lazara, ilay vehivavy samaritana ary ny mpiandry ondry tany Bethlehema.
Voambolana  6  Soratra Masina
Tsipelina hafa  7  evanjily
Mpanahaka  8  filazantsara, vaovao mahafaly
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  9  Toko sy andininy momba Evanjely

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/12