1 | Ireo karazam-paneriterena na fahateriterem-piainana miseho amin' endriny samihafa dia mampivaona ny hairaha ka tsy hahatongavany amin' ny lafatra ambony indrindra tokony ho trany sady maha-tonga ilay "fikorontanana tsy tsaroana" izay manjary mahavery ny fifanentanan' ireo zava-mitambatra ijoroan' ny asa iray. [Rabemolaly: Fary, takila 246]
|
2 | Faly ambony ihany ny fanjakana vahiny isan-karazany nony nampahafantarina azy ny fahalalahan' ny fidirana aty Madagasikara sy noho ny lalàm-panjakana vaovao namoana ny fahateriterena rehetra indrindra ny mikasika ny fivavahana sy ny fihariana. [Razoharinoro: Soratra, takila 71]
|
|