|
|
|
|

Teny iditra 1  fahitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 [Bezanozano+Sihanaka+Tanosy] fefy [1.78]
4 Tranon' omby ompiana izay voahodidina vala na fefy na faritra (angamba avy amin' ny hoe faritra ihany ny fahitra; amin' ny Betsileo ny fari-bohitra no atao hoe fahitra ary ny fitoeran' omby atao hoe vala) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 a cattle-fold, a cattle-pen, a pit in which oxen are fattened. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 parc, trou où l'on engraisse les boeufs, où on les enferme [1.3]
Ohatra  7  Tsy mba fotsimbary tsy maniry aho
tsy fahitra foana ombalahy
na tany tsy manam-pidiny
[2.131]
8  Tsy ampy nanamaina velively ny fahitra nosokafany ireo. [2.472#191]
Haiendriteny 
9  Tsotra :
10  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Fikambanana  15  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 10 misy ny teny how fahitra
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  17 fahatry, fahitra, 18 fihatra, 19 hafitra, 20 hifatra

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07