Teny iditra falim-po (faly, fo)
Sokajin-teny kambanteny
Fanazavàna teny malagasy Faly ambony ihany : faly mahita ny raviny noho ny fanantenana fa tsy maintsy misy voany ao ambadika, na mahita ny volony fa hoe arakara-tarehy voa-javatra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [fo, the heart.] A present for some favour, a gift. [1.2]
Tovy hevitra faly raviny ~ faly volony

Teny iditra falimpo
Singan-teny faly ; fo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vola na zavatra omena olona nanao asa ho an' ny tena, ambonin' ny karamany, mba ho mari-pankasitrahana noho ny soa nataony na kely na be [1.1]
Fanazavàna teny frantsay [ falim-po ] Cadeau de remerciement pour un bienfait, une faveur, un plaisir reçu [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/20