|
|
|
|

Teny iditra1  famadihana
Fototeny  2  vadika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] fanaovana zavatra hiamboho, na hivadika ka ny ambony lasa ambany
fampisehoana ny ila na lafiny tsy mbola niseho: Ianao no hampiandraiketina ny famadihana ny boky
fiovan' ny olona nitokisana nanjary mpamely na fahavalo: Ny famadihana tanindrazana no isan' ny heloka bevava indrindra
fomba arahin' ny foko malagasy sasantsasany ho mari-panajana ny Razana sy fangataham-pitahiana aminy. Misy karazany roa ny famadihana:
-- fitondrana ho ao am-pasan-drazana ny taolambalon' ny olona maty tany an-tany lavitra nalevina tamin' ny fasana aniritra fotsiny;
-- famonosan-dambamena isaky ny dimy, fito na folo taona, ireo maty milevina ao amin' ny fasan-drazana
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] the act of turning something over; treachery, treason
the "turning of the bones" of the dead
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3, 1.8] l'action de retourner
7  [1.3] l’action de chavirer, de trahir, le lieu, le temps, la cause
action de transporter les morts dans un autre tombeau
8  [1.8] trahison
"retournement" des ossements des ancêtres
Ohatra  9  Niakatra an' Antananarivo aho nony vita ny famadihana. [2.472]
10  Tsy mora ny manao raharaha, ka mbola nanangom-bola ho enti-manana ny famadihana aho. [2.529]
Lohateny  11  Kabary amin' ny famadihana (Rasamuel Maurice)
12  Le Fanompoa be et le Famadihana (Assoumacou Elia Béatrice)
Teny nalaina  13  Soratra misy io teny famadihana io

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/01