Teny iditra famerenana (verina)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanaovana indray: Noho ny fangatahan' ny be sy ny maro, dia hanao famerenana ilay fampisehoana "Sangy mahery" ny mpilalao
¶ Kado na fahafoizana omen' ny tompon-trosa na ny mpivarotra [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy [Rel. s. from mamerina (verina).] A gift or present returned to a person on paying money; luck. [Richardson 1885]

Teny iditra famerenana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy ¶ famerenana matetika: famerenana ny lesona vita teo aloha araka ny dingana voafetra mialoha 2 na 4
¶ famerenana miako: famerenana ny lesona vao haingana amin'ny alalan'ireo efa hita teo aloha
¶ famerenana nentim-paharazana: famerenana amin'ny alalan'ny fanaovana tsianjery ranofotsiny ny lesona teo aloha
¶ famerenana ombieny ombieny: fampahatsiahivana fohy amin'izay lesona efa hita teo aloha mba hahafahana mandroso bébé kokoa [SLP 1986]
Fandikana frantsay rappel
¶ famerenana ankapobe: révision générale
¶ famerenana lesona: révision de leçon
¶ famerenana matetika: révisions fréquentes
¶ famerenana miako: révision en écho
¶ famerenana nentim-paharazana: révision traditionnelle
¶ famerana ny fiterahana: limitation des naissances
¶ famerenana ombieny ombieny: rappels fréquents [SLP 1986]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31