Teny iditra | fandrosoana (roso) | ||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||
Famaritana malagasy | Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa ¶ Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina ¶ Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao ¶ Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao ¶ Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana [Rajemisa 1985] | ||||||||
Fandikana frantsay | l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps ¶ le progrès, la civilisation [Abinal 1888] | ||||||||
Endriteny |
| ||||||||
Teny mifanohi-kevitra | fihemorana | ||||||||
Ohatra |
| ||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |