| Teny iditra | 1 fandrosoana |
| Fototeny | 2 roso |
| Sokajin-teny | 3 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Fandehanana eo aloha: Ny fandrosoan' ny eo aloha indray mandingana monta dia hahafahan' ny atỳ aoriana mahazo toerana malaladalaka kokoa
5 Fanolorana zavatra ho an' olona, izay apetraka eo anoloany: Ikoto no hikarakara ny fandrosoana kafe ho an' ny oiona nasaina 6 Fitomboana fahaizana: Tsy misy fandrosoana ny fianaran' ny zanakao 7 Fandehanana tsara misy tombony, fahombiazana: Fandrosoana lehibe ho anao izao fahazoanao voninahitra izao 8 Fivoarana ho amin' ny tsaratsara kokoa vokatry ny fiitaran' ny fahaizana amam-pahalalan' ny olombelona: Betsaka ny aretina resy noho ny fikarohana nentin' ny fandrosoana [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 l'action d'avancer, de présenter, l'instrument pour présenter, le temps
10 le progrès, la civilisation [1.3] |
| Ohatra |
11 Maro sady lehibe ny fandrosoana nentin-dRadama.
[2.508#505]
12 Ary raha tsisy fandrosoana, ny vidim-piainana tsy hitsahatra ny hiakatra. [4.27] 13 Ary raha tsy maintsy lazaina ho fandrosoana izany, dia fandrosoana mankany an-kady! [2.503#34] |
| Haiendriteny |
|
| Tohi-kevitra | 16 fihemorana |
| Fikambanana | 17 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny how fandrosoana |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26 |
|