Teny iditra fanongonana (songona)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fihoarana ny hafa amin' ny fifaninanana: Ho nahazo voalohany ny soavaliko raha tsy ny fanongonan' ny soavalinao
¶ Fisosohana hiteny nefa mbola misy miteny: Tsy tsora ny fanongonana ny olona izay miteny
¶ Fanomezana vidiny ambony kokoa noho ny hafa: Saika lasako ilay omby raha tsy ny fanongonan-dRabe ahy fa nanome ariary zato ambony izy [Rajemisa 1985]
Teny mitovy hevitra fisongonana

2010/01/09