Teny iditra farihy
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Tany lemaka lehibe feno rano mihandrona tsy mivoaka: Farihin' Alaotra. (Misy karazany telo ny rano mihandrona amin' ny tany lemaka toy izany arakaraka ny halehibeny, ka ny farihy no lehibe indrindra, dia ny kamory, ary ny dobo no kely indrindra, ka itỳ farany mety ho vita-Nanahary na arin-tanan' olombelona) [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy a pool, a pond, a lake. Larger than kamory [Richardson 1885]
Famaritana frantsay lac [Abinal 1888, SLP 1986]
Famaritana frantsay étang [Abinal 1888]
Voambolana 
Mpanahaka  dobo ~ kamory
Ohatra 
1Difotra ny tanimbary rehetra, ny zehitra amoron' Alaotra lasa ohatra ny farihy ranoray daholo. [Andraina: Mitaraina, takila 36]
2nony nanaovana farihy kely, dia nisy eran-tánan-droa; [Callet: Tantara, takila 632]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny farihy ity (5)
Amparihikely
  Amparihilava
  Amparihimaina
  Amparihimanga
  Amparihimena
 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31