|
|
|
|

Teny iditra1  fatiantoka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fahavoazana amin' ny zavatra iray fa kely noho ny nahazoana na nanamboarana azy no namarotana azy: Voan' ny fatiantoka aho tamin' iny varotra iny 4  Ny elanelan' ny vola nahazoana na nanamboarana zavatra iray sy ny vola azo tamin' ny nivarotana azy indray: Telopolo no fationtoko tamin' ny nivarotako iny vorontsiloza iny [1.1]5  fahavoazana amin' ny varotra, izay mihatra amin' ny olona nivarotra zavatra latsaka noho ny masonkarena na izay nahazoany azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  [antoka, surety.] A loss sustained in trade by a bargain or contract. [1.2]7  a financial loss; bankruptcy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  perte, ruine (commerce) [1.8]
Ohatra  9  ka tsy ho fatiantoka ve raha tsy izany? [2.4#]
10  Tsy fatiantoka ho anay ny nidiran' ny Romana nanjana-tany. [2.643#]
Singan-teny  11  faty, antoka
Ohabolana  12  Ohabolana misy io teny fatiantoka io

Nohavaozina tamin' ny 2023/12/10