Teny iditra | 1 fiantranoana |
Fototeny | 2 trano |
Sokajin-teny | 3 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Fidirana ao an-tranon' olona Fangataham-bady atao loabary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy roa tonta, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany; amin' ny fiantranoana koa no anomezan-drazazalahy fitafiana ho an-drazazavavy. Ireo zatovo mifanaiky hivady toy izany no natao taloha hoe: "vady vita fiantranoana" |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#740] L'action d'entrer dans la maison de quelqu’un, la cause, le lieu |
Ohatra |
6 vady vita fiantranoana kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'io fahiny. [2.314#] 7 Misy ambaratonga roa ny fomba arahina rehefa hanambady: voalohany, ny fiantranoana, ary faharoa, ny fampakaram-bady. [2.436#] 8 Ny fiantranoana na fangataham-bady dia atao loa-bary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy tafavory, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany. [2.436#] |
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/08 |