|
|
|
|

Teny iditra1  fifaninanana
Fototeny  2  inana
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Fiezahan' olona maro miady izay hahazo voalohany na hahavita tsara
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.7] rivalry; a contest, a competition
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.8, 1.13] compétition, concours
7  [1.8] rivalité
8  [1.13] concurrence
Ohatra  9  Misy fifaninanana mamaly fanontaniana. [2.332]
10  Tsy nisy fifaninanana nakotrokotroka toa izany! [2.298]
11  Nisy fifaninanana momba ny fanatanjahan-tena tany Anta-nanarivo. [2.332]
12  Nisy koa fifaninanana nifanaovan' ny Tily avy any Paris sy ny Tily avy any Bordeaux, isaky ny lasy. [2.356]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/29