Teny iditra fisalasalana (salasala)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tsy fahatapahan-kevitra: Aleo mihemotra raha mbola misy fisalasalana ao an-tsainao
Tsy fitokiana fa marina: Ny fisalasalan' ny mpitsara no nahatonga azy ho afaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Doubt, hesitation [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Doute; hésitation [1.8]
Ohatra 
1Etsy aoriana no hamaranantsika ireo fisalasalana rehetra ireo. [2.296]
2Toa maneho sahady ny fisalasalana amin'ny faha-marinan'ilay hambara : "Teo. [2.606]
3Nisy tsirim-panantenana tao amin-dRasoa ka foana ho azy ny fisalasalana rehetra. [2.470]
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/04