Teny iditra fisavoana (savoana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomba na toetran' ny zavatra misavoana na miakatra ambony eny amin' ny habakabaka, misondrotra, midangana. Matetika koa anefa ny hoe "fisavoana" no fampiasa amin' ny hevitra hoe "fisavoanana": a) fiakarana eny amin' ny habakabaka: Ny fisavoanan' ny baolina; b) fisondrotana, fidanganana: Tsy hay lazaina ny fisavoanan' ny vidin-javatra ankehitriny; d) fahalasanana (hevitra) lavitra loatra tsy araka ny toe-javamisy: Asa na izaho no tsy nahazo ny fisavoanan' ny heviny no dia efa tsy anerany! [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05