Teny iditra fitarihana (tarika)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fandroritana, fisintonana: Naharary ahy ny fitarihany ahy tamin' ny sandriko
Fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Fitarihan' ny soavaly ny kalesy
Fitondrana: Eto no manomboka ny fitarihana ny rano ho ao an-tanàna
Fanoroana lalana: Fitarihana olona any anaty ala
Fitaomana: Ikezaho ny fitarihana ny namana ho amin' ny tsara
Fanaingana, fanentanana: Anao ny fitarihana ny fivavahana anio
Fibaikoana: Nomena ny Kolonely ny fitarihana ny tafika [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Entraînement. [Voambolana: Haitao] [1.13]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20