Teny iditra fitazonana (tazona)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fihazonana mafy: Ny fitazonana ilay tady no nahavonjy azy.
¶ Fitanana: Tsy nanaiky ny fitazonana azy ho mpangalatra izy.
¶ Fanagejana tsy hihetsiketsika: Raharaha lehibe indraindray ny fitazonana ny zaza farana.
¶ Tsy famelana handeha na hiala: Samy nanao izay afany daholo ny olona rehetra tamin'ny fitazonana azy, fa tsy nety nijanona izy. [Rajemisa 1985]

2009/02/23