Teny iditra fitondrana (tondra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Famindrana toerana zavatra entina miaraka amin' ny tena: Ohatrinona ny fitondranao ireto kitay ireto
Fanaterana: Amin' ny mitataovovonana no fitondrana sakafo ho an' ny marary
Fifehezana: Sarotra ny fitondrana olona
Fitarihana: Fadio ny naman-dratsy izay tsy mikendry afa-tsy ny fitondrana anao amin' ny ratsy
Fanaovana tsara na ratsy amin' olona: Zava-manahirana indraindray ny fitondrana havana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The act of carrying; government, leadership [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Action de porter; action de conduire; gouvernement [1.8]
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/05