Teny iditra fitoriana (tory)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanasilahana ny tsiratsirany: Tsy dia zavatra mora loatra akory ny fitoriana ny rongony alohan' ny hamolesana azy [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitoriana (tory)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanasiana soritra manelanelana na manavaka: Ny fitoriana ny tanimbary dia ny fizarazarana azy [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitoriana (tory)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Filazana sy fivoasana ny tenin' Andriamanitra: ilana fahaizana sy fiomanana ny fitorian-teny [Rajemisa 1985]

Teny iditra fitoriana (tory)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fiampangana olona nanao ratsy na hadisoana amin' ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Efa lasa ny fitoriako anao noho ny fanalam-baraka ahy nataonao [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   an accusation [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   celui qu'on peut accuser auprès des juges [Abinal 1888]
   accusation [Hallanger 1974]

Nohavaozina tamin' ny 2009/10/27