Teny iditra halalinina (lalina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao lalindalina kokoa: Halalino ity lavaka hambolena zanakazo ity
Ampitomboina: Aza halalininao ny alahelony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be deepened, to be aggravated, to be amplified [1.2]
 To be deepened, to be made deeper [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on approfondit, qu'on rend profond [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : halalinina, halaliniko, halalininao, halalininy, halalinintsika, halalininay, halalininareo, halalinin', halalinin-, halalinim-, halalini-
Ny lasa : nohalalinina, nohalaliniko, nohalalininao, nohalalininy, nohalalinintsika, nohalalininay, nohalalininareo, nohalalinin', nohalalinin-, nohalalinim-, nohalalini-
Ny hoavy : hohalalinina, hohalaliniko, hohalalininao, hohalalininy, hohalalinintsika, hohalalininay, hohalalininareo, hohalalinin', hohalalinin-, hohalalinim-, hohalalini-
Filaza mandidy : halalino

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20