Teny iditra handry > an-dry (any, ry)
Sokajin-teny endritenin' ny hoe any sy ry
Ohatra 
1himpody aho, menatra an-dry raiko. [Dahle: Angano]
2Ampy ahy izay nanampiako an-dry zareo izay. [Andraina: I Vola]
3Sao miandry an-dry Ndremba izay naniraka azy! [Randriamiadanarivo: Sikajy]

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy enti-milaza fitsorana, fivalamparana eo ambony tany, kidoro; fatoriana amin' ny alina, filamina tsisy tebiteby. [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy [Mal. diyan, mandiyan.] [Richardson 1885]
Fandikana frantsay la position horizontale, l'état de ce qui est étendu, couché
¶ la paix, la tranquillité
¶ l'état de ce qui est figé, gelé, caillé [Abinal 1888]
Sampanteny 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy tohana mijoro vita amin' ny biriky, hazo na vato: Nisy andry telo nifanandrify tao amin' ny tranon' ny Ntaolo. [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy a pillar, a post [Richardson 1885, Hallanger 1973]
Fandikana frantsay pilier
¶ (fig) soutien [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 colonne [Abinal 1888]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny andry ity (2): Miandrivazo, Ranomandry

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Famaritana malagasy antenaina ho avy ka mijanona eo ihany ny tena ambara-pahatongany: Sakafo tsy andrin' ny maika ny anareo izany, ry Ketaka, ka handeha aho [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy waiting, guarding [Richardson 1885]
Fandikana frantsay attendu, qu'on peut attendre [Abinal 1888]
Sampanteny 

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy fiambenana, fitandremana: Tsara andry ny ombintsika fa olona mahatoky izy
¶ fitiliana: Ataovy andry maso io zazalahy io fa efa tratra naka zavatr'olona [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy watch [Richardson 1885]
Fandikana frantsay garde, surveillance, veille [Abinal 1888]

Teny iditra handry > andry
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Betsimisaraka] sandry [Rakotosaona 1975]

Teny iditra handry > Andry
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra handry > mandry (andry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mitsotra na mivalampatra eo ambony tany na kidoro ka mitehika amin' izany ny vatana manontolo: Mahafinaritrany mandry eto ambonin' itý kidoro malemilemy itý
¶ Matory: Amin' ny folo izahay no manomboka mandry ~ Tapi-mandry olona ~ Tamin' ny izahay nankany Mojanga dia tao Maevatanana no nandry
¶ Milamina tsy misy mpanelingelina, tony sy finaritra: Mandry izao ny saiko fa tonga soa aman-tsara ianareo
¶ ilazana ny ranon-javatra tonga mivongana na mafy: Mora mandry ny ronono. [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy to lie down, to be lying down, to go to sleep; to be at peace, as the kingdom; to become thick, congealed, etc. [Richardson 1885]
 to lie down; to congeal to freeze; to turn sour (of milk) [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay être couché, se coucher; être figé, caillé [Hallanger 1974]
Endriteny 
mandry
nandry
handry
mandria
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny mandry ity (3): Mandritsara, Ranomandry, Vatomandry