Teny iditra hoe
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Toy izao, sahala amin' izao (fanao eo alohan' ny tenin' olona iray izay averina araka ny nitenenany azy): Dia niteny indrindra Andrianampoinimerina nanao hoe "ny ranomasina no valamparihiko" ~ Lazao aminy hoe "Tonga i dadanay" ~ Mba tiako ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malala ò!
Teny kely entina miangavy na mandidy, ary mety hifono hevitra fihantsiana na fahatezerana arakaraka ny feo ilazana azy: Mitsambikina hoe hahitana ny fahaizan' Ingahy! ~ Aiza hoe mba hojereko
Marina ve? Namidiny hoe ny tranony tetsy Ambondrona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used before quotations [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ainsi, comme ceci, dans ces termes, de cette manière, ainsi conçu, dit ainsi
Mot explétif servant à donner la forme polie ou respectueuse à l'impératif, et pouvant indiquer parfois le défi, la colère, selon le contexte ou le ton
Quoi? est-il vrai? [1.3]
 Se met devant les citations [1.8]
Kamban-teny 

Teny iditra hoe (hoy)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana hoy [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Impératif de hoy [1.3]

Teny iditra hoe
Sokajin-teny anarana na matoanteny
Fanazavàna teny anglisy Angady kely mitarehina famaky ka tsy atsatoka fa akapoka
(to hoe) miasa tany amin' ny hoe [1.17]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/01