|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  hontsa
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] malemy, trotraka: Hontsan' ny hanoanana
feno alahelo amin' ny fahitana olona niharan-doza na fadiranovana: Hontsa aho nahita azy mianaka kely mitofezaky ny hanoanana
ngoly, vonto: Hontsan' ny fitiavana azy koa ny anao ka tsy avala handeha any
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] mou, comme ce qui est bien cuit, fatigué, harassé; fig. pénétré d’un vif sentiment de joie ou de tristesse
Ohatra  5  hontsan' ny hanoanana izy (il est harassé de faim) [1.3]
6  hontsan’ ny alahelo izy (il est accablé de tristesse) [1.3]
7  hontsan' ny fitiavana an’ Andriamanitra izy (il est pénétré d’amour pour Dieu [1.3]
Sampanteny 
8  Matoantenin' ny mpanao :
9  Matoantenin' ny iharana :
10  Anarana :
11  Mpamaritra :

Teny iditra (2/2)12  hontsa
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny malagasy  14  [1.78] [Tanala] tantely tampohan-drano ho sotroina
15  [1.13] ranom-panafody nomamiana
Fanazavàna teny frantsay  16  [1.13] potion, sirop
Voambolana  17  Fahasalamana
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  19  hontsa, tsahon

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21