|
|
|
|

Teny iditra (1/8)1  I  ~  i    
Sokajin-teny  2  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  3 Tarehintsoratra fahavalo ary zanatsoratra fahatelo amin'ny abidy malagasy. Raha mamaran-teny ny i dia atao y: Tany. Ny amin'ny feony kosa, dia izao no tsara homarihina: raha ialohan'ny a na i dia atao indray mitonona ny a sy ny i: aina (ai - na) afa-tsy raha tovona nya eo aloha, ka amin'ny izay kosa dia mitonona misaraka izy roa: ailika (a - i - lika). [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4 La huitième lettre de l'alphabet malgache et la troisième des voyelles. L'i suivi de g, h, k, ng, nk, se répercute légèrement après ces lettres devant a, e, o, de la syllabe suivante: Igagana, igiagana; Isika, isikia; Mainka, mainkia, Ikopa, ikiopa; Ikoto, ikioto. [1.3]
Mpanahaka  5  abidy
Tsanganana sy sary iray takila  6  Ny abidia
Lahatsoratra  7 Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy
Sary 

Teny iditra (2/8)10  i~
Sokajin-teny  11  tovona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  12 Fanao a) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona ka tsy manomboka amin'ny Ra na Andrian:Ikoto / Ny satrok'i Paoly. b) eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza tany na tanaàna na renirano na farihy tsy misyAn naAm:Ihosy / Ny tanànan'i Betafo. d) eo alohan'ny anarana iombonana sasantsasany misy fifandraisana ara-pihavanana:i dada, i zandry.
13 Hita amin'ny fiforonan'ny teny sasantsasany, toy ny ilay, ikala, izato, iny, izaho, izahay, izy, ise, isika, ianareo, ivelany, ivoho, imaso, ilalana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 prefix used as follows : a) before proper names, as : Kòto, Ikòto b) in forming place names, as : Mèrina, Imèrina: Ifanadiana c) to make a noun into a preposition or an adverb, as : maso, eye; imaso, in plain sight; voho, the back; ivoho, behind [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 Sert à former des adverbes et des prépositions et équivaut à une préposition: à, sur : Imaso, aux yeux de; Ivoho, sur le derrière de.
16 Article personnel, se met devant les noms propres de personnes, devant les noms de lieux, ainsi que devant certains noms communs, et remplace alors Ra ou Andrian- : Iboto, Ifara, Ivato, Ifandana; Ikaky, Ineny, irainao, izokinao, isakaizanao. [1.3]
17 préfixe a) se met devant les noms propres; ex. : Kòto, Ikòto b) se met devant les noms de lieu; ex. : Merina, Imerina; Ifanadiana c) sert à former des prépositions et des adverbes; ex. : maso, imaso; voho, ivoho [1.8]

Teny iditra (3/8)18  i
Sokajin-teny  19  mpanoritra [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  20 ny [Bara, Tandroy] [1.78]

Teny iditra (4/8)21  i
Sokajin-teny  22  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  23 Non. I! inona no izany eo. Non, cela n'est pas vrai. [1.3]

Teny iditra (5/8)24  i
Sokajin-teny  25  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  26 izy [Bara] [1.78]
Tsanganana sy sary iray takila  27  Ny mpisolo rehetra

Teny iditra (6/8)28  I    
Sokajin-teny  29  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  30 aho, izaho; aho is chiefly used after the predicate, and izaho is used before [1.2]
31 izaho@mg.pn, aho@mg.pn [1.17]

Teny iditra (7/8)32  I  ~  i    
Sokajin-teny  33  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  34 marika romana izay milaza ny isa 1 [3.1]
Voambolana  35  Matematika: rafitrisa
Kamban-teny rehetra  36  Fikambanana 3 amin' io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  37  Ny isa

Teny iditra (8/8)38  I    
Sokajin-teny  39  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  40 iôdy. Singa mivaingana, faha-53 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy  41 Iodine [3.1]
Fanazavàna teny frantsay  42 Iode [3.1]
Voambolana  43  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  44  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08