Teny iditra ka
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Sy, ary [1.78]
  [Bara] Dia [1.78]
 Enti-mampitohy teny roa sady manisika ireto hevitra samihafa ireto: 1) Hevitra milaza fa vokatry ny asa voalazan' ny teny voalohany ilay faharoa: Nihazakazaka izy ka lavo. (Matetika no ia lohan' ny hoe "hany" ny "ka" amin' io hevitra io: Nihinam-boankazo manta izy hany ka narary kibo.) 2) Ny hevitra hoe "ary dia": Ta hahita azy ianao ka io izy manoloana anao 3) Ny hevitra hoe "ary rehefa avy eo": Nanatona azy izy ka nanao taminy hoe 4) Ny hevitra hoe: "nefa, tsy araka ny nampoizina": I Manga no nantsgina ka i Ako no namaly
Famintinana ny hoe "koa" izay manan-kevitra hoe: "noho izany, araka izany": Maika aho ka izay hevitrao lazaina haingana ~ Efa vonona aho, ka amboary ny entanao fa hiainga isika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy That, so that, and so; but, therefore. It is often followed by "dia". In the provinces, it is often "ko": Nantsoiny ka tonga aho (Called by him, and so I am come) ~ Nanantena anao ho tonga aho, ka tsy tonga hianao (I hoped you woud come, but you did not come ~ Nokapohinao ka kaody izy (Flogged by you, and therefore he is shy) [1.2]
 And so; used when what follows is an immediate consequence, as: Nianjera izy ka folaka ny sandriny (He fell and broke his arm) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Et, ainsi, en sorte que, c'est pourquoi: Very izy ka notadiavina (Il était perdu et on l'a cherché) [1.3]
 Et ainsi, c'est pourquoi [1.8]
Kamban-teny 

Teny iditra ka
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy 1) Kian-teny kely fametraka eo aorian' ny teny entina toa mitanisanisa asa misesy: Nokapohiko ka, nodarofako ka, norehetako ka, tsy navelako raha tsy nangorangorana; 2) ao aorian' ny fehezankevitra fohy, ka enti-milaza fiangaviana, fitalahoana: Ahy iny ka! Mifona aho ka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An expletive used after little phrases as a mere elegancy of speech, somewhat with the meaning "and what more would you have?": Nataoko ka (I have done it and (what more would you have))
An expletive used after words in the sense of koa [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Peut quelquefois se traduire par : mais, donc : Ahy ka... (Mais c’est â moi)
D’autres fois, il sert d'ornement ou de point d'arrêt: Nokapohiko ka, Nasiako ka, Norehetako ka (Je l'ai frappé, je l’ai battu, je l’ai rossé)
Suivi de dia ou de ity, il ajoute une idée de force, d’expression, de supplique aux paroles qui précèdent : Mifoka aho, ka dia! (Je demande pardon, veuillez m’excuser) ~ Nentiko k' ity (Je l’ai bel et bien emporté) [1.3]
 Particule explétive [1.8]
Kamban-teny 

Teny iditra ka
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Aza (fandraràna) [1.78]

Teny iditra ka~
Sokajin-teny tovona [Teny amin' ny ka~]
Fanazavàna teny malagasy [ ka-, kan- ] Tovona fapetraka eo alohan' ny fototeny sasany, ka mahatonga azy ho mpamaritra anarana, na ho fototeny miampy, toy ny hoe: baosy, kabaosy ~ osa, kanosa ~ bedy, kabedy ~ lita, kalita ~ potsaka, kapotsaka ~ razana, karazana [1.10]
 [ kam-. kan- ] Tovona fapetraka eo alohan' ny teny sasany, ka mahatonga azy ho toy ny fototeny mitovana, miampy. Toy izany ny hoe kamahana (fahana), kamaitso (itso, maitso), kamaosy (maosy), kamara (mara), kamasina (hasina), kambavy (vavy), kamboty (boty), kamory (vory), kanendy (endy), kandahiny (lahy), kaniry (tsiry), kanosa (osa), kanonta (tonta), kanovo (tovo). [1.10]
 [ kan- ] Tovona fanaovana fototeny faharoa manisi-kevitra manaratsy na maneso: Kanosa (osa) ~ Kambavy (vavy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A prefix added to many roots, and somewhat modifying the root meaning [1.2]
 Prefix used in forming nouns and adjectives, as: hihitra, kahihitra (stingy) ~ osa, kanosa (cowardly) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Préfixe, forme des substantifs et des adjectifs: Karazana, s. de razana; Kaozatra, adj. de ozatra [1.3]
 Préfixe qui sert à former des noms et des adjectifs; exemples: hihitra, kahihitra (avare) ~ osa, kanosa (poltron [1.8]
Haiendriteny 
Tsotra : ka~, kam~, kan~

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31