Teny iditra kiakiaka (kiaka)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Antsoantso mafy mankarenin-tsofina: Henonao oe izany kiakiakana kisoa vonoina izany? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Piercing cries [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Cris perçants [1.8]
Ohatra 
1Nangina tampoka ny tafondro marovava, fa dridridridry sy kiakiaka mifangaro teny ratsy no nisolo azy. [2.472]
2Kiakiaka sy antsoantso "Dada Dada" moa izany ny azy telodahy niantsavika an' ingahy Rainitoandro sy nanao akory azy. [2.470]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : kiakiaka, kiakiako, kiakiakao, kiakiany, kiakiatsika, kiakiakay, kiakiakareo, kiakian', kiakia-, kiakiaky
Sampanteny 

Teny iditra Kiakiaka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Ohatra Avaradrano sy Kiakiaka sy Lavadrano sy ny manodidin' Ankaratra, izao no nitoeran' Andriamberosalama zanak' Andriamanalina, natao n'Andrianampoinimerina voady ho an' Andriantsoanandriana raha mandry i Merina. [2.48]
Voambolana 
Fangi-bolantany -19, 47.5

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/03