|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  kofehy
Fototeny  2  fehy
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Zavatra amehezana na anjairana, ka mety ho taretra fanjairana izay, na tady mahazaka, na tady kely amehezana entana
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] string.
6  [1.7] string thread
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.8] fil, ficelle
8  [1.13] fil
9  [1.196] (dans toute l'île) (de ko- préfixe augmentatif, et fehy : action de lier, d'attacher). Nom général des fibres et des écorces qui en fournissent. Surtout réservé aux fibres de corderie. Pour les fibres textiles, on précise kofehy azo tenomina. Voir l'étude de P. Boiteau et G. Rason : Ny zavamaniry ahazoana kofehy azo tenomina. (Les plantes à fibres textiles de Madagascar) dans la revue en langue malgache : teny soa sy mpamafy n° 30 juin 1943, p. 90-94, en langue malgache.
Ohatra  10  Matokia manenona, fa tsara kofehy hanenjana. [2.346#23]
11  Ary ny vololony nozahany ka misy kofehy mafy. [1.436#]
Kamban-teny 
Ohabolana  20  Ohabolana misy io teny kofehy io
Lahatsoratra  21  Randzavola: kofehy ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)22  kofehy
Fototeny  23  fehy
Sokajin-teny  24  anarana
Fanazavàna teny malagasy  25  [1.1] Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin' ny fahoriana raha toa ka eo amin' ny fotoana amonosana ny razana no tonga mamangy (Jereo koa: ranombarytsymasaka, solontsosoa, faodranomaso, rambondamba, zaralevenana)
Tovy hevitra  26  solonkofehy

Fivaditsoratra  27  fohike, hofike, kofehy

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02