Teny iditra kopahina (kopaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Roahina amin' ny fanetsiketsehana zavatra eo akaiky: Kopahy ny lalitra fa manorisory
Asiana na omena rivotra amin' ny fanetsiketsehana zavatra eo akaiky: Kopahy ny marary fa sempotra / Kopahina ny afo raha tiana hirehitra
Hofokofohina: Kopahin' ny akoho ny laoenona ka manditsoka
Antsoina amin' ny fanofahofana (lamba); hofana: Kopahy lamba izy hanatona atỳ [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kopahina, kopahiko, kopahinao, kopahiny, kopahintsika, kopahinay, kopahinareo, kopahin', kopahin-, kopahim-, kopahi-
Ny lasa : nokopahina, nokopahiko, nokopahinao, nokopahiny, nokopahintsika, nokopahinay, nokopahinareo, nokopahin', nokopahin-, nokopahim-, nokopahi-
Ny hoavy : hokopahina, hokopahiko, hokopahinao, hokopahiny, hokopahintsika, hokopahinay, hokopahinareo, hokopahin', hokopahin-, hokopahim-, hokopahi-
Filaza mandidy : kopahy

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05