Teny iditra korianana (koriana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ibolisarana, iporotsahana, itsoriahana: Nokorianan' ny fandraka ny tanako ka nijananaka ra
Ianjerana, kodiavana: Nokorianan' ny vato ny tongotry ny zandriko ka naratra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To have something flow or glide over it [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Sur quoi on fait glisser [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : korianana, korianako, koriananao, korianany, korianantsika, koriananay, koriananareo, korianan', korianan-, korianam-, koriana-
Ny lasa : nokorianana, nokorianako, nokoriananao, nokorianany, nokorianantsika, nokoriananay, nokoriananareo, nokorianan', nokorianan-, nokorianam-, nokoriana-
Ny hoavy : hokorianana, hokorianako, hokoriananao, hokorianany, hokorianantsika, hokoriananay, hokoriananareo, hokorianan', hokorianan-, hokorianam-, hokoriana-
Filaza mandidy : koriano

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20