Teny iditra lazoina (lazo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aserantserana amin' ny afo: Tokony holazoina ilay volotsangana vao notapahina
Asian' ny amban' aretina, asian' aretina mbola mikotrika: Angamba lazoin' ny kitrotro itỳ zaza itỳ
Asiana: Lazoin' ny hainandro ny andohako
Atarazoka; atao izay hahela: Tsy ho vita na oviana na oviana itỳ raharaha itỳ fa lazoinareo lava [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be made to fade, to be wilted; to be softened by fire [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on fait ternir; qu'on flétrit, qu'on ramollit auprès du feu [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : lazoina, lazoiko, lazoinao, lazoiny, lazointsika, lazoinay, lazoinareo, lazoin', lazoin-, lazoim-, lazoi-
Ny lasa : nolazoina, nolazoiko, nolazoinao, nolazoiny, nolazointsika, nolazoinay, nolazoinareo, nolazoin', nolazoin-, nolazoim-, nolazoi-
Ny hoavy : holazoina, holazoiko, holazoinao, holazoiny, holazointsika, holazoinay, holazoinareo, holazoin', holazoin-, holazoim-, holazoi-
Filaza mandidy : lazoy
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20