Teny iditra | 1 loholona |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.10#L.354] (tokony ho loh' olona no fanoratana azy nefa efa raikitra mihitsy ny manambatra azy ho teny iray) olona lehibe efa mato-tsaina, tsara toetra eo amin' ny tany ama-monina, mahatoky ary hendry amin' ny fanaovan-draharaha sy amin' ny fitondrana olona, ka to teny sy hajaina eo amin' ny tanàna sy ny fokonolona. Ny tena anjara toerany dia ny mitarika ny fivoriana fiaraha-mihevitra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pokonolona, ny mandrindra sy mandamina y fifanolanana eo amin' ny fianakaviana na ny mpiray fileovana, ny mitarika ny adidy amana asa fanasoavam-bahoaka, na ny momba ny vola izany na ny asa-tena atao... 4 [1.1] Fitambaran' ireo lehibe mpikarakara (izay atao koa hoe Ray aman-dreny) ao amin' ny fokonolona na fiangonana 5 [1.13] fitambaran'ireo zokiolona to teny eo amin'ny fokonolona |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.13] patriarche, sages du village, notables sénateur |
Ohatra |
7 [2.588#] Ny ray aman-dreny sy ny loholona no tompon'adidy amin'ny. 8 [2.113#35] Isam-bohitra koa anefa dia nisy vadintany sy loholona nitondra ny Fokonolona. 9 [2.895#112] Izahay ihany, hoy ilay letrezana izay fantany tsara fa an'ny loholona tao an tanàna. |
Voambolana |
10 Pôlitika |
Fototeny | 11 loha, olona |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 13 Ohabolana misy io teny loholona io |
Lahatsoratra |
14 Randzavola: loholona ao amin' ny Baiboly |
Nohavaozina tamin' ny 2025/06/28 |
![]() |